Toekarena

Fizahan-tany 348 660 ireo nitsidika an’i Madagasikara tamin’ny 2019


  • Zoma 03 Janoary 2020

Mbola mila ezaka hatrany i Madagasikara eo amin’ny Sehatra fizahan-tany.

 

 

 Mbola ambany ny tarehimarika hatreto satria tamin’ny taona 2008 dia nampiditra mpizahatany 375 010 ny firenena. Anisan`ny firenena efa fantatry ny mpizahatany i Madagasikara saingy mbola vitsy no resy lahatra noho ireo olana maro tahaka ny faharatsian’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana. Na izany aza efa azo trandrahana tsara ny sehatra fizahantany eto Madagasikara ary tsy sarotra ny manatratra ny tanjona hampiditra mpizahatany miisa 500 000 amin’ny taona 2023 saingy mila asa sy ezaka be ny fanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny hotely sy ny lalana ary mila manana antoka amin’ny fandriampahalemana ny mpizahatany. Singa tsy azo ihodivirana hahatsara ny sehatra fizahan-tany ihany koa ny fahatoniana ara-politika miampy ny fahaizana mampahafantatra ny hakanton’i Madagasikara izay iandreketan’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famatarana ny Toetrandro.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT