Toekarena

Fizahan-tany 2020 - 2021 Nanova drafitra ny Federasionin’ny mpiseradia


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Mba tsy hisian’ny sampona vokatry ny fandalovan’ity hahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara ity nanova tanteraka ny drafitra ho amin’ity taom-piasana 2020-2021 ity ry zareo eo anivon’ny federasionina nasionalin’ny mpiseradia (FNG).

 

 

 Ny resaka fiarovana sy famerenana amin’ny laoniny ary ny fampaharetana ity resaka fanoroana lalana ireo mpizaha tany ity, raha ny fanazavana, no tsy maintsy imasoan’ny FNG manomboka izao. Miantso ireo mpisehatra eo anivon’ny fizahantany, noho izany, izy ireo mba hifanohana aminy. Mila apetraka ny paikady hiveloman’ireo matihanina amin’ny fiserana dia, omanina ny aorian’izao krizy izao ary tokony hapetraka sahady ny fandaharan’asa hampaharetana ity sehatra mamelona fianakaviana Malagasy maro ity, hoy hatrany ny federasionin’ireo mpiseradia na ilay fantatry ny maro amin’ny hoe “guide touristique”.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT