Toekarena

Fivorian’ny FMI any Washington Miandrandra ny volan’ny FEC mpitondra


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Nosokafana tamin’ny 16 aprily lasa teo ny fivoriana “Reunion de printemps” izay ataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena any Washington - Etazonia. Ity fivoriana ity moa dia manome sehatra ireo tompon’andraikim-panjakana misehatra amin’ny lafiny vola,

 

 ireo sehatra tsy miankina, ireo manam-pahaizana manokana amin’ny toekarena. Araka izany, misy ny lohahevitra mifandraika amin’ny toekarena sy  fampandrosoana ary ny rafitra ara-bola maneran-tany. Misolotena ny firenena Malagasy any an-toerana ny minisitry ny toekarena sy teti-pivoarana, Herilanto Raveloharison, sy ny governoran’ny banky foibe, Hervé Rasolofondraibe, izay hanazava ny antontan-taratasin’i Madagasikara. Iaraha-mahalala koa moa fa andrasana ny fanomezana ny famatsiam-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) fahatelo avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Fantatra fa io famatsiam-bola mitsitaitaika io sisa no fanantenan’ny fanjakana ary efa fantatra ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola ity fitondrana ity ka tsy hanomezany famatsiam-bola goavana aloha. Miharihary mantsy ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly avo lenta hitam-poko sy hitam-pirenena indrindra tamin’ireny resaka malety ireny. Andrasana arak’izany aloha ny tatitra ataon’ireo iraka lasa any rehefa miverina eto Madagasikara izay mahakely finoana ihany indrindra ny amin’ny resaka fiverenan’ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola. Marihana fa hifarana ny 22 Aprily ho avy izao izany fivorinambe izany koa antenaina hitondra vahaolana maharitra ho an`ny firenena izay tena latsaka an-katerena ankehitriny.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT