Toekarena

Fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo Hodinihina ny tetibola, fananganana fotodrafitrasa,…


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Haharitra 3 andro nu fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA) izay nosokafan’ny filohan’ny filankevitra monisipaly Faustin Andriambahoaka, nisolotena ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana,

 

 

 ny sekretera jeneralin’ny kaominina Randriamasinoro Tahiry Ny Riana omaly. Tratra ny fetr’isa ilaina hahazoana mandray fanapahan-kevitra tamin’izao fivoriana izao satria miisa 44 ireo mpanolotsaina ny tanàna tonga niatrika ny fivoriana. Lohahevitra miisa 9 no dinihana sy handraisana fanapahan-kevitra, dia ny kaontim-pitantanam-bolan’ny kaominina na ny “compte administratif 2018”, ny tetibola fanampiny amin’ity taona 2019 ity na budget “additionnel 2019”, fanitsiana ny taha alaina amin’ny dokambarotra mifanohy amin’ny LFR 2019 na ny fanitsiana ny lalànan’ny tetibolam-panjakana 2019, ny amin’ny ho fananganana ny “Maison d’Arts d’Antananarivo” na ny Tranon’ny Taozavatra eto Antananarivo antsoina hoe la “13ème Colline” an’ny fikambanana Marq-Madagasikara, Nanatsarana sy ny fanomezan-danja ny araben’ny fahaleovantena Analakely, fanomezan-dalana hanangana trano R+1 hatao “cafeteria” sy trano R+1 hatao birao ao an-tokotanin’ny Boriborintany faha-4 Anosy, fandraisana fanapahan-kevitra kaominaly momba ny fanekena na tsia ny “Plan d’Urbanisme Directeur de l’agglomération d’Antananarivo” na drafitra mahakasika ny tanàn-dehibe eto Antananarivo sy ny manodidina avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny trano fonenana ary ny asa vaventy, tatitra manokana tamin’ny taona 2018 ary tetikasa ho amin’ny fanatsarana ny fokontany Cité Jardin Mahamasina. Nandritra io fotoana omaly io ihany koa no nanolorana ny mpanolotsainan’ny kaominina vaovao, Ramatoa Voahanginirina Ida, nisolo an’Atoa Ralambozafimbololona Fetra, izay lasa depiote.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT