Toekarena

Fivorian’ireo mpandraharaha miteny frantsay Lany ho mpitam-bola ny Malagasy


  • Talata 22 Oktobra 2019

Nandritra ny fivoriana voalohan’ireo mpisehatra miteny frantsay ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena avy any amin’ny firenena Atsimo no nahalanian’ny teratany Malagasy, Sylvia Andoniaina ho mpitam-bola eo anivon’ny EFOI.

 

 

Tany amin’ny fivoriamben’ireo mpisehatra miteny frantsay ireo, izay natao tany Libreville Gabon no nahalany izany  teratany Malagasy izany. Misy ny tombony amin’izao fiaraha-miasa izao indrindra ny eo amin’ny lafin’ny fambolena sy  ny fiahiana ara-tsakafo ary indrindra ny fampiroboroboana ny Orinasa Madinika sy Salantsalany (PME) sy ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. Nivoitra tamin’ity fivoriana ity ihany koa ny tsy maintsy irosoana amin’ny toekarena mifototra amin’ny nomerika sy ny varotra elektronika. Mbola hanamarika ity fihaonana ity ihany koa ny fisian’ny famelabelaran-kevitra tanterahan’ny Departemantan’ny fandraharahana ara-toekarena eo anivon’ny kaomisionan’ny Fivondronam-be Afrikana . Tanjona ihany koa ny hampihaonana ireo tompon’andraikitra ambony miaraka amin’ireo matihanina avy amin’ireo sehatra tsy miankina. Ny fihaonana ao amin’ny Libreville dia hanatsarana ny fitantanana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpianatra sy mpiasa avy any ivelany.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT