Toekarena

Fivorian` ny parlemantera Ho voaboasana ny LFI 2021


  • Talata 20 Oktobra 2020

Misokatra anio ny fivoriana ara-potoana faharoa hatao eny amin` ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona. Ho an`ny Antenimieram-pirenena manokana dia tahaka ny fivoriana farany teo tamin` ny volana mey ihany ny toerana hanatanterahina izany ka eny amin`ny CC Ivato ny fotoam-pivoriana.

 

 

Noho ny mbola fisian` ny valanaretina Covid 19 eto ka mba hahafahana manaja ireo fepetra iadiana amin` ny aretina no antony ny fanapahan-kevitra. Na dia fananam-panjakana aza ny CC Ivato dia fantatra fa mitentina 3,8 tapitrisa ariary isan-andro no hofan` ity toerana ity izay tsy maintsy aloan` ny fitondram-panjakana. Marihana fa haharitra 60 andro ny fivoriana ara-potoana ataon` ireo parlementera. Hovoaboasana mandritra ity fikaonan-doha mikaton-trano ity ny momba ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) taona 2021. Fantatra fa hifantoka bebe kokoa amin`ny fampivelarana ny lafiny sosialy sy ara-toekarena ny fampiasam-bola amin`ny taona ho avy. Anisan` ny hodinihana ny antsipirian` io tetibola vaovao ka hita eo raha hahazo fankatoavana avy amin` ireo solombavambahoaka izany na tsia. Aorian`ny fanapahan-kevitra horaisin` ireo loholona no hamerenana an`io volavolan-dalàna io eny amin` ny Antenimieram-pirenena. Ireo depiote kosa no ho tompon` ny teny farany. Ankoatra izay, ho resahina ny fizarana momba ny faritra Vatovavy sy Fito Vinany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT