Toekarena

Fivahiniana ara-toekarena natao tany Canada Afa-po tanteraka ireo mpandraharaha Malagasy


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Tontosa soa aman-tsara ny 21 ka hatramin’ny 28 oktobra lasa teo tany Canada ilay fivahinianana ara-toekarena sy ara-barotra nokarakarain’ny tranoben’ny varotra eto Madagasikara sy any Canada.

Afa-po tanteraka ireo mpandraharaha Malagasy miisa 15 nandray anjara tamin’izany, araka ny tafa nifanaovan’izy ireo  tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy hariva teo. Anisan’ireny Rtoa Eliane Rakotozafy  izay nanantitrantitra fa sambany no nisy hetsika nanomezana vahana ny mpandraharaha Malagasy tany ivelany tahaka ireny no tena nahafa-po azy tanteraka. Raha araka ny fanazavany hatrany mantsy dia afaka niresaka mivantana tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny tranoben’ny varotra any Canada izy ireo no afaka nanazava ny momba an’i Madagasikara ihany koa. Betsaka amin’ireo teratany vahiny mantsy no tsy mahalala izay tena zava-misy marina eto amintsika ankoatra ireo hitan’ny masony ihany. Manantena ny hahita vokatra tsara hihatra mivantana amin’ny asa fiveloman’ireo  mpandraharaha eto amintsika ireto mpandraharaha Malagasy 15 nandeha tany Canada ireto. Tsara ny mampahatsiahy fa  firenena  miisa 34 maneran-tany ihany hatreto  no manana fahafahana handefa entana any Canada ka anisan’izany isika eto Madagasikara izay tsy handoavana hetra.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT