Fitsinjovana ny kitambom-bolam-panjakana

Nampitomboina ny halavan’ny delestazy


  • Zoma 01 Desambra 2023

Mihamafy hatrany indray ny delestazy na dia mbola tsy tena tafiditra tanteraka amin’ny orana

misesy be mety hiteraka olana ara-teknika bebe kokoa aza isika. «Misy ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’ny 12 ora alina hatramin’ny 4 ora sy sasany maraina » hoy ny minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Andriamanampisoa Solo omaly. Nambara fa fepetra noraisina io, hampihenana ny fandaniana ataon’ny orinasa Jirama, sy hitsinjovana ny vesatra mety haterak’izany amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Io ny fanazavana momba io fahatapahan-jiro mifandimby io. Hampandeferina izany ny vahoaka mba hitsinjovana ny kitampom-bolan’ny Fanjakana izay efa karazana fihaikena fa misy ny krizyNy mampihomehy sady hafahafa ao anatin’ilay izy ihany koa anefa, dia nisy ihany koa ny seraseram-panjakana milaza fa notontosaina omaly 30 novambra 2023 ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana hampiasaina amin’ny fanafainganana ny fametrahana ny « Branchement Mora ». Miisa 45.000 ny fangatahana voarain'ny JIRAMA hatramin'izao. Ny fandanian’ny Jirama ahena mba ho fitsitsiana ny fa ny fandaniana herinaratra ho an’ny mpanjifa mitombo. Tena mifanaraka ve ireo ?. 5 taona lasa aty aorian’ny fampanantenana 400MW isika mbola izao, ary toa efa lasa niova fizarana jiron’akoho aza moa iny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT