Fitsinjovana ireo mpandraharaha Malagasy

Tena mila zavatra mivaingana sy mahomby


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Tonga niarahaba sy nirary soa ho an’ny Filoham-pirenena noho ny fahatrarana ny

taona vaovao ireo mpandraharaha tanora. « Nampahatsiahy ahy ny tamin'izaho mbola mpandraharaha tahaka azy ireo ny fahitana ireto tanora mpandraharaha an-jatony tonga niarahaba tratry ny taona anay mivady ireto. Tsaroako, ohatra, fa nanampy betsaka sy nanosika ahy hivoatra hatrany ireo fanampiana azoko tamin’ny nahavoasafidy ahy ho « Jeune Entrepreneur de l’année » », hoy i Andry Rajoelina. Izany indrindra no nambarany fa nanomezany toky fa hanohana azy ireo hatrany aho ary hanampy na amin’ny tolotr’asa na amin’ny lalam-barotra samihafa. Tanora mandray andraikitra, vonona hampandroso an’i Madagasikara, izany no faniriako ho azy ireo. Misehatra amin’ny seha-pihariana isan-karazany manerana ny Nosy izy ireo ary naneho fa manohana tanteraka ny vina sy ny asa izay iarahantsika manao ho fampandrosoana an’i Madagasikara, raha ny nambaran’ingahty Filoha hatrany. Naneho fa matoky ireo tanora ary mino fa izy ireo dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fanorenana ho avy mamiratra ho an’ity Nosy ity. Nanome herim-po sy manosika ahy ny fitiavana sy finoana nasehonareo. Satria rehefa manam-pinoana dia na inona na inona sedra lalovana dia tsy maintsy mahita vahaolana, ary na iza na iza manenjika dia tsy maintsy tafita. Hiaraka handroso aminareo aho, hanampy sy hanohana anareo, ho andry afaka iankinanareo amin’ny fampivoarana ny orinasanareo tsirairay avy, hoy ny fampanantenana sy fakana toky nataon’i Andry Rajoelina. Tsy vitan’ny fahampahatsiahivana io hoe mampahatsiaro ahy ny fahiny sy ny hoe eo anilanareo foana aho. tena resaka ambony latabatra no betsaka raha resaka fitsinjovana ny toekerana Malagasy, indrindra fa ny tontolon’ny fandraharahana. Ny resaka hetra sy haba tena henjana be, dia lasa tsy mpifaninana na « compétitif » ny vokatry ny mpandraharaha malagasy, halamino ho marin-toerana aloha ny herinaratra sy ny jirama, aza avela hitobaka eto ny entana avy any ivelany, omeo tohana tena izy ny mpandraharaha, ahenao ny tahan’ny zanabola alain’ny banky.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT