Toekarena

Fitrohana ny etona karbôna Vola be ho an’ny fanjakana, ahoana ny fanaraha-maso ?


  • Zoma 26 Janoary 2018

Nahazo famatsiam-bola mitentina 2,150 tapitrisa dolara ny minisiteran`ny Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, ho fanomezan-danja ny tontolo iainana tamin`ny alalan`ny FEM na Fonds de l`environnement mondial sy ny PNUD.

 Nahazo famatsiam-bola mitentina 2,150 tapitrisa dolara ny minisiteran`ny Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, ho fanomezan-danja ny tontolo iainana tamin`ny alalan`ny FEM na Fonds de l`environnement mondial sy ny PNUD. Ho tratra ny tanjona amin`ilay fanapahan-kevitra tamin`ny COP 21 tany Parisy, hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, Dr. Johanita Ndahimananjara, satria efa nahavita fambolen-kazo amin`ny velaran-tany 20 000 Ha raha 35 000 hatramin`ny 40 000 ha isan-taona no tokony hohenjehina. Tamin`ny taon-dasa dia nalamina sy narindra ny fanatanterahana izany ary hita fa miroso amin`ny fahombiazana. Nanaiky ny handray anjara amin’ilay tetikasa “Puits de carbone” mantsy i Madagasikara izany hoe hitroka ny setroka maloto  avoakan’ireo firenena matanjaka amin`ny alalan`ny fambolen-kazo raha faritana tsotsotra. Efa nisy ny vokatra azo tsapain-tanana toa an`Ankeniheny-Zahamena, ohatra, dia nitentina 1,5 tapitrisa dolara no azo ary nanombana ny tahiry karbona 430 000 taonina. Raha ny vokatry ny fanadihadiana natao dia efa talohan`ilay fihaonambe Cop 21 tany Paris roa taona lasa izay ny fanjakana Malagasy no nikasa ny hitroka Karbona. Tamin`ny taona 2014 dia nanao fifanarahana tamina orinasa roa any ivelany ny fitondrana ka nitentina 400 000 dolara ny vola azo ary ny ala ao Makira any Avaratry ny nosy, izay afaka mitahiry Karbona 710 000 taonina, no nanombohana azy. Tsara ho fantatra fa sarotra ny manatanteraka ny fitrohana setroka maloton`ny firenenan-kafa satria ny fitondrana dia tsy manaraka rindran-damina ara teknika. Manao fambolen-kazo manerana an`i Madagasikara kanefa ny zana-kazo volena dia tsy mety amin`ny toe-tany eto satria vao mainka mandavaka ny tany. Ny hazo zanatany toy ny kininina, ohatra, be velarana ny fakany ary miteraka fandavahan`ny tany. Ny olana goavana mantsy dia tsy hisy intsony ny fiarovana ny sahan-driaka ary tsy ho ampy intsony ny rano. Mila manomana tetibola mantajaka amin`ny fanaraha-maso ny fitondram-panjakana raha tsy tiana hivadika hofatiantoka ity tetikasa fitrohana Karbona ity

Marigny A.

 

Tanjona ny hampihenana 2°C ny hafanan`ny tany ka mitentina 90 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan`ny banky iraisam-pirenena ary ireo firenena vaventy sy indostrialy tena mpandoto. Manome toky izy ireo fa hanolotra 100 tapitrisa dolara mba hanatanterahana ny paikadin`ny COP 21, 2016-2020. Marihana fa i Etazonia dia nisitaka tamin’ity fifanarahana ity satria hamerina ny indostria an`ny saribao araka ny vinan’ny filoha Donald Trump.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT