Toekarena

Fitrandrahana vaventy “Manana maodely ratsy amin’io isika”, hoy ny FIMA


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Orinasa efa teo hatramin’ny taona 2004 ny Base Toliara, hoy ny Fikambanan’ny masikoro arivolahy na FIMA, izany hoe efa maro ny mpitondra nifandimby niara-niasa taminy.

Toliara Sands moa no anarany tamin’izany fa taty aoriana rehefa niova ny tompony dia io lasa hoe Base Toliara io, hoy ny filoha lefitr’ity fikambanana ity, Elia Rabevahiny. Ao Ankilimalinike, distrikan’I Toliara II no misy azy. Nahazo fahazoan-dalana hitrandraka izy ary teo vao fantatr’ireo mponina hoe hay zavatra mihoatra noho ny nifanarahana no heverin’ilay orinasa hatao. 2 na 3 taona lasa teo moa dia nidiran’ny olona mihitsy ilay toerana mba tsy hiasan’ny mpiasa tao. Mandeha ny resabe izao fa hiverina ho sokafana indray ny orinasa ka mahatonga ny tompon-tanana tsy manaiky ary manohitra ny hisokafan’izany amin’izao fotoana izao. Tsy manaiky ny fisokafan’io ny FIMA satria efa manana maodely ratsy amin’io fitrandrahana vaventy na “grande mine” io isika eto Madagasikara. Inona no tena tombontsoa entin’Ambatovy ho an’ny firenena? Fampanantenana tamin’izany fotoana hoe ho foana ny kere rehefa misokatra ny QMM nefa fantantsika tsara fa manomboka eo amin’ny distrikan’Amboasaritra, faritra Anosy, izao ny kere. Hitantsika farany teo koa fa maty hatramin’ny hazan-dranomasina. Ny olona lasa azon’aretina hafahafa. Laharana faha 4 amin’ny hatsarana sy hadiry maneran-tany io fasimainty kasain’ny Base Toliara trandrahana io. Ambony be koa ny tahana oranioma ka risika be noho izany ny mety hiparitahan’ny taratrana “radioactif” na singa miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina. Misy fomba hafa azo hitondrana fampandrosoana amin’iny faritra iny tsy mamotika ireo mponina, ohatra, toy ny hoe fantantsika fa ny masikoro dia mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ka izay no tokony tohanan’ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny FIMA.
J. Mirija Legende: Elia Rabevahiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT