Toekarena

Fitrandrahana solika Ny taona 2006 no nisy tolotra farany


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Nifarana ny sabotsy teo ny fanamarihana ny faha 45 taonan’ny ofisim-pirenena misahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy loharano stratejika na OMNIS

 izay notontosaina nandritry ny 3 andro tetsy amin’ny Hotel de ville Analakely. Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny OMNIS, Nantenaina Rasolonirina, dia zava-dehibe ny nahenoana ny hevitr’ireo mpiara-miombon’antoka hafa mikasika ity tontolo ity nandritr’izay 3 andro izay. Isan’ny tena naharitra indrindra ny adihevitra momba ny hetra mikasika ny fitrandrahana, hoy izy. Azo raisina ireny hevitra ireny hahafahana manatsara satria tanjona izao dia ny fampandehanana io fitrandrahana solika sy loharanon-karena stratejika io. Ireny hevitra nivoaka ireny no haravina sy entina amin’ny minisitera mpiahy sy izay minisitera tafiditra ao anatin’izany ahafahana mametraka fehezan-dalàna, ohatra, manatsara ilay sehatra. Ny resaka momba ny hetra sy ny tontolo iainana moa no tena be mpandray anjara ary hitanay hoe ireo no mahakasika ny olona indrindra satria misy ilay tsy fahalalan’ny sehatra na mpiara-miombon’antoka sasany hoe inona marina no anjara andraikitry ny fitrandrahana solika sy loharanon-karena stratejika eo amin’ny resaka maro? Eo am-pitadiavana izay fomba hamerenana ireo kaompania lehibe manerana izao tontolo izao isika ankehitriny. 2006 tany isika no nanao tolotra farany, raha resaka solitany. Miisa 2 teo ny fifanarahana azo tamin’izany ary isan’ny be indrindra ny kaompanian-tsolika nanatona teto Madagasikara. Tsy mitovy intsony anefa ny zava-misy tamin’izany sy izao na eo amin’ny resaka Covid 19, ny resaka teknolojia, ny fivoaran’ny sehatra momba ny solika manerana izao tontolo izao. Mila vahana izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT