Toekarena

Fitrandrahana solika mavesatra Hovonoina i Tsimororo ?


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Hanara-dia an`i Bemolanga koa ve, araka ny efa nihirahiran`ny tarika Mahaleo azy ny toeram-pitrandrahana soliky ny ``Madagascar Oil`` any Tsimiroro (Faritra Melaky) atsy ho atsy ?

 

 

 Natao hanafainganana ny fampandrosoana noho ny fahataran`i Madagasikara eo amin`ny toekarena sy sosialim-bahoaka ny IEM ary anisan`ny hovahana amin`ny alalan`io ny olan`ny angovo sy herinaratra hiteraka fampandrosoana. Hahafahana mampidina ny vidin`izany, hisarihana mpampiasa vola mba tsy ho vesatra ho an ny indostria io sehatra herinaratra io dia nanolotra vahaolana ho an`ny orinasam-panjakana JIRAMA ny fanjakana Malagasy nandritra ny fihaonana tamin’i Akinwu Adesina, Filohan'ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD) tany Addis Abeba-Etiopia. Voaresaka tamin’izany fa hanafatra menaka mavesatra (huile lourde) avy any ivelany satria mitombo efatra avo heny ny vidin`ny herinaratra eto Madagasikara mihoatra amin`ny any Eoropa, hoy ny filoha Rajoelina kanefa mamokatra 400 MW isan-taona fotsiny ho an`ny mponina miisa 25 tapitrisa. Tanjona ny hampihena 30% ny saram-pamokarana satria 240 000 litatra isan`andro na kamio 10 no ilaina hampihodinana ny tobim-pamokarana herinaratra eny Ambohimanambola. Mba rahoavina vao hiala amin’ny fanafarana solika avy any ivelany ka mampiankin-doha lava izao antsika amin`ny vahiny, isika anefa efa tafiditra ao anatin`ny firenena manana solika ?. Ny orinasa ``Madagascar Oil`` dia efa nilaza fa azon`ny Jirama sy ny orinasa tsy miakina ampiasaina  ny solika mavesatra ao Tsimiroro. Efa natao ny fitiliana ara-teknika rehetra ary fantatra fa tsara ny kalitaon`ny « fuel », ambany ny tahan`ny rano ary azo ampiasaina tsara amin`ny famokarana herinaratra. Efa nisy ny andrana natao niarahana tamin`ny orinasa Symbion Power izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama amin’ny famokarana ao Mandroseza. Ny JIRAMA dia mila 2 000 barila kanefa Madagscar Oil manana tahirin-tsolika mavesatra mahatratra 160 000 barila afaka manodina ny milina mamokatra 40MW eny Mandroseza ao anatin’ny 6 volana. Izao anefa dia hoe hividy solika avy any ivelany mba hampiasain’ny Jirama.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT