Toekarena

Fitrandrahana solika Andrasana ny politika mazava


  • Talata 06 Jolay 2021

Anatin’ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny orinasam-panjakana OMNIS izay misahana ny resaka fitrandrahana akoran’afo sy miandraikitra ny fitrandrahana ireo loharanon-karena stratejika toy ny

 

 Oranioma sy Elmenita dia hisy ny fanatanterahana varavarana misokatra momba izany amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana satria na teo aza ny fikasana hanao hetsika maro dia tsy tontosa izany noho ny ahamehana ara-pahasalamana, hoy ny fanazavana tetsy amin’ny foiben’izy ireo tetsy Ambohijatovo omaly. Ity tranonkala izay ho ampahafantarina miandalana ity kosa dia hampahafantarana ny mombamomba izany OMNIS izany, ny asa aman’andraikiny eto amin’ny firenena sy ny efa vitany tao anatin’izay 45 taona izay, azon’ny sehatra maneran-tany tsidihana ity vovonan-tranonkala ity. Mbola maro no tsy mahalala izany OMNIS izany ka antony lehibe hanatanterahana ny varavarana misokatra ny 8 ka hatramin’ny 10 jolay izao. Na eo aza ny hahamehana dia ho tontosaina io 8 jolay io ihany ny fanokafana ny hetsika ao amin’ny Hotel de ville Antananarivo. Resahana manokana ao ny Oranioma, hoy ny tale jeneraly vonjimaika, Nantenaina Rasolonirina, satria isan’ireo singa efa nanaovana fikarohana hatrany amin’ny fanjanahantany. Raha ny resaka fitrandrahana solika indray dia mbola ao anatin’ilay antsoina hoe “sous exploité” I Madagasikara, izany hoe mbola tsy ampy izay fitrandrahana izay. Mbola mihisatrisatra ary antony iray hanaovana ilay hetsika mba hanairana ny fitondrana sy tomponandraikitra hoe manana fahafahana na “opportunité” maro isika ankehitriny. Na eo aza tsinona ny krizy dia mbola manohy fitrandrahana ny firenena maro. Ny tena olana izao dia miandry izay politika mazava momba ny fanohizana fitrandrahana solika isika, hoy hatrany ity DGPI an’ny OMNIS ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT