Ankoatra ny tsy fandoavana ny onitra (compensation) ataon’ny orinasa QMM dia nanao fanambarana indray ny solontenan’ny mponina sy ny mpiaro ny zon’olombelona omaly alarobia 19 septambra tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefanambohijanahary .
Tsy misy mandeha amin’izay izy ny onitra satria misy olona manana tany norefesina kanefa tsy mahazo vola mihitsy, misy kosa ireo olona tsy manana tany kanefa mahazo vola. Ankoatra izay, nanambara izy ireo fa mitrandraka ny monazita koa ny orinasa QMM amin’izao fotoana kanefa mineraly faran’izay mampidi-doza ny taratra radio actif avoakany. Ny fitrandrahana fasimainty aza efa olana lehibe satria efa misy monazita ihany koa mivoaka miaraka aminy. Marihina anefa fa fitrandrahana fasimainty no nanomezana fahazoan-dalana ny orinasa QMM tany am-boalohany fa vao haingana indray ny nanomezana ny fitrandrahana monazita. Tamin’ny 7 martsa 2018, hoy izy ireo vao fantatra fa lasa nitrandraka azy io orinasa io nefa ny ilmenita aza efa miteraka aretina maro be any Tolagnaro amin’izao. Tsy mba mandray ny hevitry ny mponina maro an’isa ny ofisy nasionalin’ny tontolo iainana ONE fa olona vitsivitsy notsongaina fotsiny no mahazo tombony. Nanambara mihitsy ny solontenan’ny mponina fa efa manondrana monazita mihitsy ny QMM amin’izao. Tsy mankasitraka ity fitrandrahana ity ny mponina ary nilaza ny mpiaro ny zon’olombelona fa tsy azo ekena fa handoza ary tena fanitsakitsahana ny zo fototry ny vahoaka izao.Andrasana izay ho ambaran’ny orinasa QMM momba ity raharaha ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.