Toekarena

Fitrandrahana mampidi-doza Ho Soamahamanina faha-2 Ampasindava


  • Zoma 28 Aprily 2017

Mananontanona indray ny loza amin’ny resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Nilaza mantsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Antsiranana ny alarobia 26 aprily teo fa halamina ny taratasy momba ny fitrandrahana

 

 "Terres rares" amina velaran-tany 300 km2 any Ampasindava Faritra DIANA, ka ny orinasa Tantalum Rare Earth Madagascar (TREM) no hanao izany. Loza mitatao izy io satria ny fitrandrahana « Terres rares »  1 taonina dia mandoto rano 1000taonina ary miteraka poti-javatra mety hampidi-doza na  "déchets toxiques" 2000 taonina. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ireo toerana misy ireo harena voajanahary tokony harovana izy io, ary tsy nakana ny hevitry ny mponina akory, ka toherin’izy ireo marin-drano. Efa nandraisan’ny mpitondra vola be ve izy ity matoa atao an-terisetra, ka ny filoham-pirenena mihitsy no miditra an-tsehatra ? Mila vola ny HVM, ka tsy maintsy manao izay fomba rehetra hahazoana izany na hamotehana tanindrazana aza.

Valy bontana ho an’ny mpamatsy vola

Niaiky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa misy ny fahatarana eo amin’ny fanomezana ilay vola 10,2 tapitrisa dolara nampanantenain’ireo mpamatsy vola mahazatra (Banky iraisam-pirenena, Vondrona Eoropeanina, BAD…) Tsy maintsy mitady fiaraha-miasa hafa noho izany ny fanjakana Malagasy, ka isan’izany ny sinoa izay ambaran’i Hery Rajaonarimampianina fa mampanantena volabe amina miliara dolara maro, mba hamatsiana ireo tetikasa voafaritra ao anatin’ny PND. Isan’ny nivoitra ny hanitarana ny seranan-tsambon’i Andrakaka sy Antsiranana, ka efa vonona amin’izany ity firenena ity. Tsy nisalasala i Hery Rajaonarimampianina nilaza fa fepetra takian’ny mpamatsy vola ny fitoniana ara-politika sy ny fanajana lalàmpanorenana. Azo adika izany fa tsy misy ny fitoniana politika eto amin’ny firenena ary mbola miantso fandraisan’andraikitra amin’ny vahoaka toy ny fanatsaharana ny fitsaram-bahoaka mba hisian’ny fitoniana ny filoha. Toa hevi-petsy hanaovana izay hipotsahan’ny famatsiana avy amin’ireo mpamatsy vola anefa izany matoa tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny fanjakana kanefa efa hatry ny taona 2016 no nanjaka ny fitsaram-bahoaka. Noho izany dia milaza ny handray andraikitra manoloana ny fitsaram-bahoaka sy ny fidangan’ny vidim-bary, izay efa fandre matetika ny filoham-pirenena, izay toa resabe sy fihezahana maka ny fon’ny vahoaka sy ny mpamatsy vola Andaniny anefa dia toa te hanao fitan-droa i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany izay efa mahazo lamosina amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ka voizina ny hoe misokatra amin’ny rehetra, ary izay no hitadiavana lalana any amin’ny sinoa. Toa efa manao valin-kafatra amin’ny mpamatsy vola mahazatra ny HVM fa mahita lalana hatrany na inona na inona fahiranao atao eo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT