Toekarena

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Hotsirihina manomboka izao ireo Indostria


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Ny sehatra harena ankibon’ny tany dia anisan’ny singa fototry ny fampandrosoana ara-toekarena. Mampidi-bola be amin’ny fanjakana io sehatra io ka tokony hojerena sy hotomorina akaiky.

 

Nisy ny ezaka ka nanomboka tamin’ny alatsinainy 26 novambra teo no nanatanteraka atrikasa momba ny fametrahana fitsirihana (audit) ny orinasa misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ny ao amin’ny cour de compte. Ity farany moa dia miara-miasa amin’ny tetikasa manohana ny fanaraha-maso ny Indostria mpitrandraka harena ankibon’ny tany (Projet d’Appui à la Surveillance des Industries Extractives). Fandaharan’asa iarahana amin’i Canada ity atrikasa ity ary tanjona ny hanaovana izany fitsirihana izany amin’ny sehatra harena ankibon’ny tany mba hisy akony mivaingana amin’ny toekarena io sehatra io. Misy ny mpitsara avy ao amin’ny cours de compte sy avy ao amin’ny harena ankibon’ny tany ary ny tontolo iainana sy ny fiarahamonim-pirenena hampandehanana ny asa fanaraha-maso. Tsy maintsy jerena ity tontolon’ny sehatra harena ankibon’ny tany ity, hoy ny tompon’andraikitra satria miteraka harena be ho an’i Madagasikara. Aorian’ity atrikasa ity dia hosintonina amin’izay ny foto-kevitra hiaingana amin’ny fitsirihana ireo Indostria mba hiteraka fanatsarana sy fanampiana avy amin’ny fanjakana.  Tsiahivina fa tsy mbola nisy hatreto ny fitsirihana nataon’ny cour de compte tamin’ny indostria misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany tahaka ny Ambatovy sy QMM fa izao no fanombohana

Tsirinasolo

 

Sary Rakotobe Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT