Hotanterahina mandritra ny 2 andro eny amin’ny trano be Munning Business Center Ivato ny tsenan-kevitra nasionaly momba ny harena ankibon’ny tany.
Efa nanomboka omaly izany ary niarahan’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika tamin’ireo mpisehatra rehetra voakasika amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Maro be ny fitarainana notaterina tao ka anisan’izany ireo olan’ny mpitrandraka madinika izay nilaza mazava fa ny vahiny hatrany no tena mahazo tombony. Mampikaikaika azy ireo ny kolikoly eny anivon’ny sampandraharaha izay manome vahana tanteraka ireo vahiny, indrindra ny amin’ny ara-taratasy. Tsy vitsy ihany koa ny nangataka hanaovana fitsirihana (audit) eny anivon’ny Biraon’ny Kadasitry ny Harena ankibon’ny tany eto Madagasikara (BCMM). Nisy ihany koa ny hetaheta ny amin’ny tokony hanaovana fanisana ireo mpitrandraka eny anivon’ny kaominina rehetra hahafantarana ny tena vokatra mba miditra amin’ny Malagasy sy ny vokatra mazava amin’ny harinkarena faobe. Nanambara kosa ny minisitra Fidiniavo Ravokatra fa efa 5000 mahery amin’izao fotoana ny fangatahana fahazoan-dalana mitrandraka eny anivon’ny BCMM. Efa nanomboka ny taona 2012 no tsy nisy fahazoan-dalana nivoaka intsony. Tamin’izany anefa dia nanohy ny asany hatrany, indrindra ireo mpandraharaha madinika. Nanambara ny tenany fa hosokafana amin’izay ny fahazoan-dalana ary tsy maintsy hisy ny sivana hijerena ireo tena matihanina. Hisy mihitsy, hoy ny bokin’andraikitra mba ahafahana manaraka ireo teboka rehetra hanatsarana ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany. 2000 eo ho eo amin’izao fotoana izao ny fahazoan-dalana mitrandraka manankery ka eo amin’ny 1050 eo no ezahana mbola homena mialoha ny jona 2020.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.