Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Vokatry ny tsy fanarahan-dalàna ny olana rehetra miseho


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Rafitra iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika ny OMNIS, hoy ny tale jeneraly misahana ny loharanon-karena stratejika eo anivon’ity minisitera ity,

  Pascal Clovis Velonarivo. Asan’ny minisitera ny manatanteraka ny fanaovana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary ny solika sy ny entona ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara. Raha ny solika no resaka dia manatsara ny rijan-teny na “texte reglementaire” sy lalam-pitrandrahana hanaovana ny fitsirihana ny solintany eto Madagasikara ny minisitera miaraka amin’ny OMNIS izay feno 45 taona sy ireo mpiara-miombon’antoka satria raha miteny hoe fitsirihana na fitrandrahana isika dia maro ny minisitera miara-miasa amin’io. Ao ny minisiteran’ny toekarena sy ny tetibola, amin’ny resaka hetra. Ao ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny resaka fananan-tany. Anjaran’ny minisitera amin’ny alalan’ny rafitra tantanako no manosika ny OMNIS hanao ny tolotra mikasika ny solitany. Hanome tosika azy koa izahay amin’ny fakana ny rambon-tany an-dranomasina any atsimon’I Madagasikara. Ankehitriny izahay dia manao izay hampidirana ny sehatry ny mpitrandraka madinika ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna. Ny olana rehetra miseho eto amin’ny firenentsika ankehitriny tsinona dia vokatr’izay tsy fanarahan-dalana izay. Tsy tonga teto ny sekretera jeneralin’ny minisitera sy ny talen’ny kabinetra satria lasa any Ambositra noho ny resaka volamena. Isan’ny asan’ny minisitera koa amin’ny alalan’ny fitantanana ankapoben’ny ANOR ny hampidirana volamena ao amin’ny banky foibe haha mari-toerana ny tahabolantsika, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT