Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Tena nisy fahazoan-dalana nivoaka ny taona 2017 sy 2018


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Maro ny fahazoan-dalana homena hatramin’ny Jona 2020 araka ny fanambarana nataon’ ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika,

 

 

Fidiniavo Ravokatra saingy na hisy aza izany ka mbola tsy matipaika ny politika atao amin’ireo sehatra tsy ara-dalàna, ny fanondranana ny échantillons, ny fanaraha-maso ireo vahiny sy ny sisa  dia tsy misy vokatra ara-toekarena azo antenaina mihitsy izany. Fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany Mahatratra 1050 ny fangatahana homena mialoha ny Jona 2020. Efa 5000 mahery amin’izao fotoana izao ny fangatahana fahazoan-dalana mitrandraka eny anivon’ny Biraon’ny Kadasitry ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (BCMM). Efa nanomboka ny taona 2012 no nolazaina fa tsy nisy fahazoan-dalana nivoaka intsony. Nandritra ny fampitahana ny vola nambaran’ny Orinasa mpitrandraka ny harena ankibon’ny tany sy ny vola voarain’ny fanjakana Malagasy taona 2017 sy  2018 (rapport EITI) farany teo nefa dia hita fa nisy izany ary maro ny fahazoan-dalana nivoaka. Efa nisy ihany ve izany ny fanokafana amin’izay ny fahazoan-dalana ary nanao ahoana ny sivana nijerevana ireo tena matihanina? Mbola 2000 mahery eo ho eo amin’izao fotoana izao fahazoan-dalana mitrandraka manankery ka izany no antony hanampiana 1050 izany mialohan’ny Jona 2020 raha ny fanambarana teo anivon’ny Ministera tamin’izany. Tsy mifandraika ary tsy mifanaraka amin’izany anefa ny tamin’ny fampahafantarana ny tatitra EITI taona 2017 sy taona 2018.

Tsirinasolo

Nombres de permis validés

2017

2018

PRE( Petits Exploitants)

1732

1467

PR (Permis de Recherche)

3403

3245

PE ( Permis d’Expolitation)

518

515

Source:Rapport EITI 2017/2018

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT