Manan-karena an-kibon’ny tany ny firenena ka nahoana isika no mahantra? Hitohy tahaka izany foana ve ny fitantanana ny firenena sa misy fotoana tsy maintsy handinika sy hametraka paiakady vaovao?
hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly nandritra ny fihaonana tamin’ny loholona. Tao anatin’ny 30 taona ny orinasa QMM no milaza fa matiantoka, raha ny nambarany. 92 tapitrisa dolara ny trosan’ny QMM amin’ny fanjakana noho ny tsy fahafahan’ny fanjakana nandrotsaka ny anjara petra-bolany niainga tamin’ny 20% amin’ny maha mpiray ombon’antoka ny fanjakana. Tsy afaka hanaiky ny tahaka izany intsony amin’ny fitrandrahana harena eto, ka mila jerena ny tombotsoa azo avy amin’ny tetikasa, tombotsoa azon’ny vahoaka ao an-toerana, tombotsoan’ny fanjakana, hoy ny Praiminisitra. Eo no mila hijerena ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Tokony ho fantatra mialoha ny tombotsoa azon’ny Faritra Atsimo Andrefana amin’ny tetikasan’ny Bases Toliara, saingy tsy manome izany io orinasa io hatramin’izao. 2% ny tamberina na ny “rédevanche” azon’ny fanjakana, kanefa tsy tokony ho latsaky ny 4 ka hatramin’ny 6% ho an’ny firenena rehetra. Tsy misy mitaky zavatra afatsy ny tombotsoam-pirenena amin’ny Bases Toliara, hoy ny Praiminisitra. Tsy any amin’ny petra-bola intsony fa hoe: ampahany amin’ny vokatra ho an’I Madagasikara ka ampahany firy io? hoy izy. Hihenjana amin’ny resaka fitrandrahana harena eto izany ny fanjakana, ary hametraka ny fitsipi-dalao mafimafy kokoa, ka asa izay hataon’ireo orinasa lehibe izay mampiasa Malagasy maro ihany koa anefa, ary tena iankinan’ny harin-karem-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.