Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

Mila ezaka i Madagasikara amin’ny fangaraharana…


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Isa 67 izay voasokajy ho ambany no nomen’ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative)

vao tsy ela raha tsiahivina. Endrika maneho fa mbola marefo ny lafiny fangaraharahana amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na eo aza ny serasera sy fanehoana ivelany ny finiavana hanao izany amin’ny sehatry vato sarobidy, petrola, gazy. Antony nahatonga ny filankevi-pitantanan’ny EITI nandrisika ny hampiasana ireo antontan’isa navoakany mba hanetsehana ireo adihevitra samihafa mikasika ny indostrian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na eo aza ireo fanamby mifandraika amin’ny fangaraharana eo amin’ny fifanarahana mombana fitrandrahana. Azo raisina ho porofo mivaingana ireny raharaha Gemfields nahasaringotra ny Tale Kabinetran’ny Filoha teo aloha Rtoa Romy Andrianarisoa izay migadra any Londres, nitaky tsolotra mba hahazoan’ilay orinasa fahazoan-dàlana mitrandraka eto. Nisy orinasa maromaro voatontontonona ho efa nanaovana tahaka izany, ary izay tsy nanaiky dia tratry ny olana. Lasa endrika sy tandindon’ny fampiasam-bola amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ireny, ka mety ho sakana amin’ny fahatongavan’ireo orinasa sy mpandraharaha goavana. Raha ny antontan’isan’ny EITI hatrany moa na izany dia niakatra 4,0% ny ny fandraisan'anjaran'ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny harin-karena faoben’i Madagasikara na ny PIB ho an’ny taona 2021, izay notaterina tamin'ity taona ity. Azo lazaina ho ambany anefa io raha ny harena misy eto. 18,33%-n'ny fanondranana entana makany ivelany kosa no niantohan'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany ny taona 2020 ary niakatra ho 32,0% io tarehimarika io ny taona 2021. Teo amin’ny 7127 kosa ireo mpitrandraka artisanaly niroso ho amin'ny sehatry ny ara-dalàna ary miisa 215 ireo "zones d'encadrement" na faritra nanaovana tan-tsoroka tapetraka hatramin'ny taona 2023, raha io tatitra io.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT