Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany Hanova ny fifanarahana amin’ny QMM ny Fanjakana


  • Zoma 13 Janoary 2023

Isan’ny nivoitra tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia 11 janoary teo, izay efa tany amin’ny 01 ora marain’ny omaly 12 janoary vao nivoaka tao amin’ny pejin-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika ny hoe:

hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao amin’ny orinasa QMM ny Fanjakana Malagasy mba hitsinjovana ny tombotsoan’I Madagasikara amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ao Taolagnaro, araka ny toromarika hentitra avy amin’ny Filoha. Tsy navaozina intsony mantsy ilay fepetra ara-ketra sy haban-tseranana manokana nomena ny orinasa QMM Tolagnaro nandritra ny 25 taona, izay hifarana ny 18 febroary 2023. Mbola hitohy hatramin’ny may 2023 fotoana hivorian’ny parlemanta anefa. Voalaza fa nisy ny fivoriana manokana notarihin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, sy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, nampiantsoana ny solontena avy amin’ny QMM, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Praiminisitra, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika, solontenan’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny Fobem-pitondran’ny hetra sy ny Foibem-pitondran’ny ladoany lasa teo. Taorian’ny fivoriana no nambara fa nahitana ny fifanarahana fa tsy hotohizana mandritra ny 25 taona ny fepetra manokana ara-ketra sy haban-tseranana. Tamin’ny 1998 moa no nisy ny fifanarahana nidiran’ny QMM hitrandraka, izay nivadika ho lalàna 98-002 tamin’ny 26 janoary 1998. Ho avy eto Madagasikara ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary izao ny filoha Tale Jeneralin’ny Rio Tinto ka hihaona sy hifampidinika amin’ny Filoham-pirenena. Tsara ho marihina fa tsy maintsy mandalo fankatoavan’ny parlemanta ny fanovana ny fifanaraham-piaraha-miasa. Tombanana fa ho henjana ny adihevitra, ary tsara ny mampahatsiahy, fa vao tany amin’ny tetezamita dia notondroina ho manafina basin-dRavalomanana ny QMM, vao tafaverina ity Fitondrana ity dia nandeha ny adihevitra momba ny petra-bola 20%n’ny Fanjakana sy ilay hoe: hampanao “audit” ny mpitondra, nandritra ilay atrikasa PEM Sud tany Toliara ny jona 2021 dia notsekerain’ny Filoha fa misy orinasa maka ny harena kanefa tsy hita izay tena fiantraikany amin’ny toekarena any Atsimo,… Matetika no toa tratry ny fanakorontanana samihafa ny QMM toy ny raharaha trondro maty, ny fanakanan-dàlana vao tsy ela teo,… Voalaza fa efa manana ny heviny sy ny eritreriny ny Rio Tinto QMM amin’ny ady hevitra, ka asa izay ho endriky ny fifampiraharahana sy bokin’andraikitra vaovao satria samy hitady ny tombotsoany, ary mety ho henjana ny ady hevitra. Maro kosa no mieritreritra, fa resa-bola no tena isan’ny antony mampihetsika ny Fanjakana amin’io.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT