Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon` ny tany Misedra olana tao anaty folo taona


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Fianakaviana 2 tapitrisa no mivelona amin`ny fitrandrahana harena an-kibon`ny tany eto Madagasikara.

 

 

Tao anatin` ny 10 taona anefa manana olana ny mpitrandraka madinika amin`ny taona hatramin` izao. Niato ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon`ny tany na misy aza ny didim-pitondrana 7903-2013 amin`ny alalan` ny vondrona no nahafahanay niasa tapany fotsiny. Misy koa ny atao hoe « autorisation des collectes » saingy foana izy ireo amin`izao ka lasa manome vahana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, hoy Richard Raveloson Fils, filohan` ny “ syndicat des professionnels des mines » (SPM). Manao antso ity sendikà ity mba hanolotra vahaolana maharitra sy hanome fahazoan-dalana hahafahan` izy ireo manao ny asany. Fantatra, hoy ny SPM, fa manampy amin`ny fidiram-bola sy fanatsarana ny toekarena ny fitrandrahana ara-dalàna harena an-kibon`ny tany. Marihana fa efa nisy ny fihaonana teo amin`ny sendikà sy ministera mpiahay saingy mbola andrasana izay fanapahan-kevitra farany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT