Toekarena

Fitrandrahana harena an-kibon` ny tany Mila alamina aloha ny lalàna sy ny fotodrafitrasa


  • Talata 06 Oktobra 2020

Nivoaka iny fanapahan-kevitra noraisin` ny Firenena Mikambana nandritra ny fivoriambe farany teo fa hodinihana amin`ny andiany manaraka indray ny mahakasika ireo nosy manodidina na « Iles Eparses ».

 

 

 Maro tokoa ireo tombon-tsoa sy harena amin`ireo nosy ireo toy ny hazan-dranomasina, ny fahazoantsika “droit de passage” amin`ireo sambo sy “cargo” isan-karazany izay tsy maintsy mandalo eo. Ao koa ireo harena an-kibon`ny tany maro toy ny solika, etona fandrehitra, vato sarobidy maro, diamondra… Tsy lavina fa tena ilaintsika izany rehetra saingy kosa mialoha ny fitrandrahana izany dia tsara kokoa no mandaina ny fifehezana ireo harena anatiny mba hanaporofoana fa ho vitantsika ny mitantana ny “Iles Eparses” any aoriana. Antony roa no tena mampisalasala ireo mpampiasa vola eo amin`ny sehatry ny harena an-kibon` ny tany. Voalohany ny lalàna fototra mahakasika ny harena an-kibon` ny tany satria fampiasam-bola maharitra ny atao amin` izany. Marihana fa tsy latsaky ny 40 taona vao tafaverina ny vola nampiasaina koa tokony ho maharitra ny asa. Faharoa, ny tsy fisian``ny fotodrafitrasa: mahasarotra ny fampiasam-bola sy mahalafo ny asa mifandraika amin` izany. Miankina amin`ny fitondram-panjakana Malagasy ny fametrahana lalàna sy fotodrafitrasa hahasarika mpamatsy vola, tsy ho an`ny vahiny ihany fa indrindra koa ho an`ny Malagasy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT