Toekarena

Fitrandrahana fasimainty Miha milamina ny orinasa Base Toliara


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Nidina ifotony nijery ny fivoaran’ny tetikasa Base Toliara, ny Tale jeneralin'ny Birao nasionaly ho an'ny tontolo iainana (ONE) Atoa Laurent Ampilahy ny alarobia 24 sy alakamisy 25 jolay lasa teo.

 

 

Nifantoka tamin’ireo tetikasa ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny fidinana ifotony nataony. Nentin’ireo ekipan’ny Base Toliara (Toliara Sands teo aloha) nitsidika ny toerana hisy ny toeram-pitrandrahana ao Antsiloa ity tompon’andraikitra ambony ity, mialoha ny fijerena ireo kaominina telo voakasiky ny tetikasa (kaominina Tsianisiha, Ankilimalinika ary Belalanda) ary ny “plateforme géotechnique” ao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara. Marihina fa ny fanjakana tetezamita notarihin-dRajoelina no nanao ny fifanarahana sy nanome fahazoan-dalana io orinasa io nanomboka ny 2012. Efa maromaro ny fanoherana ny Toliara Sands, ka anisan’ny nitarika izany ny depiote Siteny Andrianasoloniaiko, fony izy mbola HVM. Na niala an-daharana aza izy, dia nitohy ny hetsiky ny vahoaka, ka ny volana mey no nisian’ilay savorovoro niteraka famotehana ampahan’ny fananan’io orinasa io, ka nisamborana sy nampidirana am-ponja olona 9 izay nafahan’ny fitsarana. Anisan’ny nanohitra an’io ny firaisamonim-pirenena CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement–Océan Indien) sy ny Collectifs-Tany. Toa midika kosa ny fihetsika miseho eo amin’ny mpitantana sy ny fanjakana fa miroso ny dia amin’ny fitrandrahana fasimainty.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT