Toekarena

Fitrandrahana fasimainty ao Faradofay Vonon-kanakana koa ireo mponina


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Raha vao mikasa hanomboka ny fitrandrahany ao Toliara ny orinasa Toliara Sand dia efa mahery vaika sahady ny fanakanan’ireo zanaky ny faritra Androy izany ankehitriny.

Manoloana io moa dia malaza hosamborina ny mpanakanto, Théo Rakotovao, izay sady zanak’iny faritra iny, noho ny fampiakaram-peony hiarovana ireo mponina voakasiky ny fiatraikan-dratsin’ity fitrandrahana fasimainty vao kasaina atao ity. Nampiaka-peo koa omaly ireo zanak’Anosy izay mahatsiaro ho mizaka ny tsy rariny noho ny fitrandrahana fasimainty ao Faradofay ataon’ny orinasa QMM. Tsy mitaky ny fanafoanana ny tetikasan’ny QMM izahay akory, hoy izy ireo, fa hajao ny fifanarahana tao anaty bokin’andraikitra. Aloavy ny volan’ny mponina izay efa nifanarahana hatramin’ny taona 2008 hoe 3000 ariary isan’olona fa aza asiana tombo sy hala. Tanteraho ny fanomezana asa ireo tanora fa tsy zara raha 2% ihany toy ny amin’izao fotoana izao raha be indrindra no omena izany. Nalaza tamin’ny fihariana trondro ny faritray teo aloha kanefa ankehitriny dia novolenareo barazy ny toeram-piharianay ka potika hatramin’ny fiharianay. Na ireo ravinkazo fitsaboana aza potika noho ny fitrandrahana. Be ireo lasa nanan-kilema tsy fidiny sy narary. Izahay mitaky zo indray ve no rahonana hosamborina, hoy hatrany izy ireo, ka miantso ny fitondram-panjakana handray ny andraikiny fa raha tsy miova izao zava-misy izao dia tsy hihemotra izahay.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT