Toekarena

Fitrandrahana drakaka Misy orinasa Sinoa mampiahiahy any Toliara


  • Talata 16 Jona 2020

Namoaka fampitam-baovao ny Vovonam-pirenena momba ny jono sy ny arena anaty rano, ny SANSAFA Madagascar (Southern African Non-State Actors Platformes in Fisheries and Aquaculture) sy ny RENAFEP Madagascar (Réseaux National des Femmes de la pêche,

 

ary ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria any Toliara, fa ny 17 mey lasa teo no nivoaka tamin’ny fampahalalam- baovao iray ny fisiana fahazoan-dàlana hitrandraka sy hanondrana drakaka ho ana orinasa sinoa, izay mitondra ny laharana N° 163/2020-MAEP/Mi ho ana kaompania sinoa miisa 5 (Santi Import-Export, Dragon de la Mer, Ocean Export, Société DRAKK, MAPRO-Sud) izay voalaza fa olon-tokana no tompony. Manana ny lanjany ara-toakerana amin’ny maha vokatra fanondrana azy ny drakaka ankoatra ny fanjifana azy amin’ny tsena anatiny. Ahiana ho lany tamingana ny drakaka, hisy akony ara-toekarana sy mamono ny mpandraharaha Malagasy, ary ny resaka fanjarian-tsakafo ny fanomezan’ny governemanta fahazoan-dàlana ho ana orinasa sinoa an’olon-tokana ity seha-pitrandrahana goavana ity. 100 taonina isan-kerinandro no fahazoan-dàlana nomena ny mpandraharaha sinoa, kanefa 4250 taonina isan-taona no fetra ambony indrindra azo haondrana, araka ny didim-pitondrana N°33229/2015. Manao antso avo manoloana io loza mandindona io noho izany ny vovonam-pirenena miantsehatra amin’ny tontolon’ny jono sy ny harena anaty rano mba hanafoanana io fahazoan-dàlana io, ary miantso ny mba hakana ny hevitry ny mpisehatra sy hisian’ny fitsinjarana ara-drariny ny fahazoan-dàlana.

 

 Isan’ny nanenjehana ny fitondrana Rajaonarimampianina ny resaka tahaka izao, izay nambara fa nifanaraka ny hanjonoan’ny sambo sinoa an-jatony maro amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ka dia ho hita eo ny hafitsoky ny fanjakana Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT