Tsy eken’ireo vahoaka ny fanitarana tany ataon’ireo sinoa mitrandraka etona natoraly mankany amin’ny faritra fanajariana razana alohan’ny toeram-pandevenana.
Nanizingizina ireo vahoaka tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Sakaraha Tinoka Roberto, nijery ny zava-misy taorian’ny fitarainan’ny vahoaka sy ny avy ao amin’ny foko Tesomangy (tompon’ny toeram-pandevenana) ary Ben’ny tanànan’i Mahaboboka, ny faramparan’ny herinandro iny, fa “ lavinay hatramin’ny farany ny hakana sy hitrongisana an’ireo toerana masina misy ny fasanay.“. Maro amin’ireo fifanarahana nifanaovana tamin’ny sinoa mpitrandraka no tsy tanteraka mandrak’ankehitriny, toy ny fananganana sekoly, hopitaly ary ny fanomezana rano fisotro madio. “ Tsy misy tombontsoa azonay mihitsy amin’ity fitrandrahana ity. Na ny vola onitra amin’ny tanimbarinay nosimbana sy nopotehina aza tsy azo. In-dray nandeha ihany izahay nomen’ny sinoa vola, raha tokony ho isan-taona ny fandoavana izany, araka ny fifanarahana nisy sy natao. Rahonana sy fitapitahina ary ampihorohoroana foana izahay vahoaka raha vao mitaky ny volanay “.
Baikon’ny minisitra
Raha tian’ireo sinoa, hoy ny rodoben’ireto vahoaka, ny hitohizan’ny fitrandrahana etona eto, dia tokony hotanterahina aloha ireo fampanantenana natao. Raha ny fanazavana azo hatrany, tsy hajain’ireto sinoa mitrandraka etona ao Mahaboboka ihany koa ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Raha nanontaniana kosa ny ampahany amin’ireo sinoa mpiandry raharaha tao amin’ity toeram-pitrandrahana ity, dia nilaza fa tsy mahafantatra na inona na inona. “ Any amin’ny minisitra ianareo manontany fa mpanatanteraka baiko fotsiny izahay eto “, hoy ireo sinoa. Ahiana ho toy ny tranga niseho tao Soamahamanina ny zavatra hisy any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahaboboka, any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, raha tsy voalamin’ny tompon’andraikitra mahefa haingana ny toe-draharaha misy any an-toerana ankehitriny.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.