Toekarena

Fitotongan’ny Indostria Malagasy Misy ifandraisany amin’ny sandam-bola Ariary


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Mitohy hatrany ny hetsika « vitrine de l’Industrie et du secteur privé » andiany faharoa izay natomboka tetsy amin’ny Parvis Hôtel de Ville ny talata 20 novambra lasa teo.

 

Fampirantiana  tanterahina mandritra ny 5 andro ary iandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 10000. Fiaraha-mientan’ny fikambanan’ny mpiasan’ny Indostria (FIMPII) ity noho ny fahatsapana fa tena latsa-danja ny vokatra vita Malagasy mihoatra ireo entana mitobaka avy any ivelany . Izany no mahatonga izao hetsika fanandratana ny vokatra vita Malagasy izao ary nanasana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony te hitodika amin’ny fandraharahana sy ireo sehatra tsy miankina. Nanambara ny filohan’ny FIMPI, Andriamatoa Randrianantenaina Raherison fa ny akora hafarana avy any ivelany ampiasaina eto Madagasikara dia tena vidina  lafo noho ny fitotongan’ny sandam-bola Malagasy. Miakatra hatrany koa, hoy izy ny vidin-tsolika izay ampiasaina eny anivon’ny Indostria ka mahakofona tanteraka ny fandraharahana atao. Rehefa izay dia tsy maintsy mampiakatra ny vidim-bokatra amin’ny tsenany i Madagasikara hanenjehana ny  masonkarena ka mahatonga ny vokatra vahiny ho tena mahazo vahana. Vahaolana voalohany sy akaiky indrindra aloha dia ny fanentanana ny Malagasy mba hanjifa ny vokatra eto an-toerana hampiroboroboana ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny fitondram-panjakana ny amin’ny politika atao hiarovana ny vokatra Malagasy sy ny fananganana paikady matotra hiadivana amin’ireo entana vahiny mitobaka marobe ireo.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT