Mitotongana tanteraka ny sandan’ny vola ariary eo anatrehan’ny vola vahiny satria efa manodidina ny 4000Ar mihoatra na latsaka kely izany amin’izao fotoana izao, ka ny tsenan’ny takalo ara-bola na ny MID (Marché Inter-bancaire des devises) no tena antony.
Ny FMI-Malagasy na ny Fahefa-Mividy no ilay Ilain’ny Malagasy tarihin’i Jean Jacques Ratsietison, dia mivoy hatrany ny hanafoanana io MID io sy ny famerenana amin’ny taha fanakalozam-bola tsy miovaova na “système de taux de change fixe” sy ny fampiakarana 100% raha kely indrindra ny sandam-bola Malagasy izy ireo, mba hahafana mamaha izao fidangan’ny fidim-piainana izao. Mifanipaka amin’izay kosa ny hevitry ny mpahay toekarena Patrick Randriamisata, mpandrindra ny Faribolam-pandinihan’ny mpahay Toekarena na ny CREM. Amin’ny ankapobeny, dia fitaovana hahafahana mametraka ny sandam-bolantsika io MID io, hoy izy. Tokony hanomana toekarena mafimafy kokoa isika satria izay no mety hampitsimbadika azy io, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity. Tsy tokony hofoanana io satria ny MID no hahafahana mivoatra amin’ny fananana toekarena matanjaka, raha ny fanehoan-keviny. Ny tokony hatao izao dia ny hoe ahoana no hahafahan’ny toekarena manana tanjaka, hahafahana manondrana entana, hahafahana manana fahefana hampiakatra ny ariary eo anatrehan’ny vola vahiny, hoy hatrany izy. Tolo-kevitra roa samy mikatsaka vahaolana izao ireo roa ireo, ary samy manana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny. Ny zava-dehibe dia ny ady hevitra sy fifandresen-dahatra hiaraha-mitady vahaolana satria efa tena tsy zakan’ny Malagasy izao vidim-piainana izao. Raha ny tolo-kevitra momba ny famahana ny olana ara-toekarena eto amintsika angamba efa nahavitana boky be maromaro, saingy mba manam-piniavana mba hihaino sy hiantso na hifanakalo hevitra amin’ireny mpanolo-kevitra ireny ve ny mpitondra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.