Miara-mahita isika fa mihena ny sandan’ny ariary eo amin’ny tsena ara-bola.
Mety hiteraka fidangan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny io satria maro ny fanafarana entana miditra eto Madagasikara, hoy ny mpahay toekarena sady filohan’ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) Rajaonera Fredy. Rehefa manafatra entana avy any ivelany ny olona dia miankina amin’ny sandan’ny ariary. Raha mbola mitsotsorika foana io, dia hisy ny fiakaran’ny vidin’entana amin’ny sehatra rehetra, hoy izy. Mbola maromaro ihany, indrindra ny sehatry ny indostria, no tsy nampiakatra vidin’entana kanefa raha mitohy io dia tsy maintsy manitsy ny vidin’entana arakaraka ny fihenan’io sandam-bola io. Miankina amin’ny sandan’ny ariary amin’ny ankapobeny ny vidim-piainana eto amintsika. Olana goavana ny fanafaran’entana avy any ivelany mihoatra be amin’ny fanondranana, izay hahafahana mampiditra vola vahiny. Vahaolana mahomby ny fisian’ny politika mazava hanohanana sy handrisihana ny mpandraharaha Malagasy, indrindra ny tontolon’ny indostria, saingy tsy tena mbola hita soritra eto Madagasikara. Ny mpandraharaha aza no toa volosana amin’ny hetra isan-karazany hampidi-bola ho an’ny fanjakana, kanefa tsy misy ny fitantanana mangarahara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.