Toekarena

Fitotonganan’ny Ariary Mbola ny Covid sy Ukraine foana no diso?


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Tsy eto amintsika ihany no mitotongana ny Ariary fa manerantany, hoy ny vazivazin’ny mpanara-baovao ao anaty tambazotran-tserasera ao. Ny ady any Okrainina sy ny COVID koa no antony, hoy ihany ny voalaza.

Misy fofompofona Ebola koa fa mbola tsy malaza tsara dia mbola tsy ampiasana aloha izay fialana izay fa atao “joker” amin’ny manaraka, hoy hatrany ny vazivazy zaritenan’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera. Ankoatran’ny fidangan’ny vidim-piainana efa hiaraha-mahalala ho misondrotra isan’andro moa dia tsikaritra koa ankehitriny fa tsy vitan’ny hoe mitontongana fotsiny ny sandan’ny vola Ariary fa tena vizana mihitsy. Vao aninkeheo no 4899 Ariary dia izao hariva izao efa mihoatra ny 4900 Ariary sahady, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera nahita ny sandan’ny vola malagasy Ariary mitaha amin’ny vola eoropeanina, Euro. Lasa 4908,38 Ariary tsinona ny Euro raha ny hita farany omaly hariva. Asa na mbola ho diso indray tokoa ny COVID sy Okrainina manoloana izao zava-misy izao.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT