Toekarena

Fitombon’ny toekaren’i Madagasikara Hampihatra ireo modely fikajiana vaovao ny INSTAT


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 08 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny fomba fikajiana vaovao ny fitombon’ny harinkarena ankapobeny eto Madagasikara.

 

 

 

 Anisan’izany ny fikirakirana vaovao ny kaonty nasionaly (Comptes Nationaux) izay mandrafitra vokatra miditra sy mivoaka amin’ny orinasa eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fikajiana ny vidin’entana hamaritana ny vidim-piainana vaovao (NIPC). Nanamarika ny solontenan’ny Banky manerantany fa mbola anisan’ireo firenena 2 mampiasa ny rafitry ny fikirakirana Kaonty Nasionaly tamin’ny taona 1968 (SNC-68) i Madagasikara. Efa nilaozan’ny toetrandro izy io ankehitriny satria ny firenena rehetra efa mampiasa ny fandrindrana ny kaontim-pirenena SNC 93 avokoa hikajiana ny harinkarena faobe. Izany no anton’ny fanavaozana mba hampiseho ny zava-misy marina amin’ny toekarena ny tarehimarika kirakiraina. Raha niainga tamin’ny taona 1984 ny Kaonty Nasionaly dia nataon’ny INSTAT taona 2007. Tahaka izany ihany koa ny NIPC, niainga ny taona 2016 raha toa ka taona 2000 no nanaovana ny kajy taloha. Rariny raha atao ireny satria raha tamin’ny taona 1984 ohatra dia tsy mbola misy orinasa afaka haba kanefa amin’izao efa maro be sady mampiasa olona maro no misy amin’ny harinkarena faobe. Mahakasika ny IPC dia hatramin'izay noferana karazana entana miisa 10 ihany no hikajiana ny vidim-piainana ary hita ho tsy mampiseho ny zava-misy marina satria fantatra ny fiakaran’ny filana isan’andro. Entana miisa 250 no hadihadiana isan’andro amin’ity NIPC ity mba ho marina ny fanadihadiana ara-toekarena atao. Takian’ny mpamatsy vola tahaka ny Banky maneran-tany sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ihany koa ny fanovana hikirakirana tarehimarika ara-toekarena tahaka izao handraisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra amin’ny fanampiana homeny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT