Vinavinaina ho 2 ,4% ny fitomboana ara-toekarena manerantany ho an’ity taona 2020 ity araka ny fanambaran’ny banky iraisam-pirenena.
Maro anefa ny sakana amin’izany, indrindra ny amin’izao fiatombohan’ny taona izao ary tena mahakely finoana ireo mpandinika ara-toekarena mihitsy. Tsy azo tsinontsinoavina ary anisan’ny mamotika ny toekaren’izao tontolo izao ny aretina coronavirus any Sina. Loza ara-toekarena ihany koa ny fifanolanana eo amin’i Iran sy Etazonia izay raha mitohy dia tsy maintsy hisy fiantraikany eo amin’ny tsenan’ny solitany. Manginy fotsiny ny fialan’ny anglisy ao amin’ny vondrona eoropeanina na ny Brexit. Manampy ireo ny tsy fitovian-kevitra intsony eo amin’ny mpitantana ao anatin’izany Vondrona Eoropeanina izany. Nalaza be ihany koa tato ho ato ny krizy sosialy any Amerika atsimo toy ny any Venezuela sy any Honduras.
Taona 2019 : nampihemotra ny toekarena ny fanatontoloana
Raha hiverenana ny toe-draharaha ara-toekarena tamin’ny taona 2019 dia tsapa ary hita fa nihen-danja ny fanatontolona (démondialisation). Vokatry ny fihenan’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany (commerce international), ny fiarovana be loatra na ny protectionnisme nataon’i Etazonia, indrindra ny disadisa ara-barotra tamin'ny sinoa sy Etazonia no manimba ny toekarena manerantany. Ireto manaraka ireto no mamaritra ny fanatontolona (mondialisation) izay efa tsy nataon’ireo firenena manankarena ireo ho laharam-pahamehana intsony kanefa ahazoana tombony be ara-toekarea. Ny voalohany dia ny fitambarana dingana hamaritana ny fahombiazan’ny paik’ady ampiasain’ny orin’asa na fikambanana iray (chaîne de valeur) mba hahazahoany tombony mihoatra ireo mpifanandrina aminy. Tafiditra amin’izany ny fampiasana vola any ivelan’ny firenena na ny IDE izay nahazoana tombony amin’ny fandoavana karama mora. iainana ka manome vahana ny fifanakalozana (échange) sy ny fampiasana zavatra efa niasa (seconde main).
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.