Toekarena

Fitomboan`ny toekarena Sao dia voarebirebin`ny tarehimarika fotsiny


  • Zoma 09 Febroary 2018

Anisan`ny sehatra iray lehibe ahafahana mitaratra ny tanjaky ny firenena ny fahasalaman`ny toekarena ao aminy. Misy anefa ny fepetra tokony ho feno amin`ny lafiny maro hijerena an`izany ary ohatra amin`ireny ny fitarafana ny fomba fiainan`ny olona tsirairay ao amin`ilay firenena.

 

 Raha ny eto Madagasikara manokana no asian-teny dia miharihary toy ny vay an-kandrina ny fahantran`ny Malagasy. Mazava ny tarehimarika omen`ny Banky maneran-tany fa 80%-n`ny Malagasy dia miaina anaty fahantrana, mivelona amin`ny 1,9 dolara isan`andro, izany hoe 6000 Ar eo ho eo (1$ : 3190 Ar). Raha io vola io tokoa mantsy no hotsinjaraina dia tsy ampy mihitsy iveloman`ny olona iray ao anatin`ny iray andro manoloana ny fisondrotam-piainana eto ary misy aza moa ary tsy vitsy no mbola latsak`io no ananany. Manaraka izany, ny Malagasy no faha-5 eran-tany amin`ny fananana zaza tsy mandeha an-tsekoly ary maro ihany koa no tsy lasa lavitra amin`ny fianarana. Mibaribary ihany koa ny fahalatsahan`ny fahefa-mividy eto an-tanàna ary miteny  ny tarehimarika satria dia 13% monja no manana jiro ao an-trano. Raha ny lafiny tanjaky ny toekarena indray dia marefo i Madagasikara, ny trosa babena etsy an-daniny fa eo ihany koa ny fandaniam-bola mihoapampana ataon`ny mpitondra. Ny  tsy faharesen-dahatra misy amin`ny mpamatsy vola amin`ny mpitondra koa manginy fotsiny ka mihantona daholo ny famatsiam-bola. Mbola maro no azo resahana ny amin`ity fahantran`ny firenena ity ary tsy azo afenina ireo zava-misy hita eto saingy mahagaga ny maro ny fahaizan`ny fanjakana milalao tarehimarika manakona ny fahasahiranana. Mieritreritra angamba izy ireo fa bado daholo ny Malagasy ka manaiky hambakaina foana.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT