Toekarena

Fitokonana sy fitakiana Hikatso tanteraka ny ladoany ?


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Omaly alarobia 27 jona no nivory sy nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Mitohy ary hihamafy ny tolona noho ny tsy fihainoana sy ny tsy fahazoana valiny mahafa-po nandritra ny roa volana.

 Iaraha-mahalala fa ny fadin-tseranana sy ny hetra dia mametraka mihitsy ny maha firenena iray. Hatreto, tsy mbola miala ihany ny orinasa Gasynet sy Metis izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, hoy Andrianavalona Ramambola Herizo. Raha ny tapaka tamin’ny fihaonana tamin’ny tale teknikan’ny hetra tany Nosy Be Hell Ville dia efa tapaka fa ny mpiasan’ny hetra no mamory ny hetra manaraka ny lalàna ary ny orinasa Métis no maka ny saran’ny fandraharahana (droit des dossiers) izay volany. Mahagaga anefa fa mbola io orinasa io ihany no mandray ny “droit de timbre de visa de transport” eny Ivato izay tena andraikitry ny mpiasan’ny hetra araka ny didim-panjakana mifehy ny comptabilité publique. Ankoatra izay, takian’izy ireo ihany koa ny fialan’ny minisitry ny tetibola sy ny fitantanam-bola izay vato misakana hatrany amin’ny tokony hanesorana ireo orinasa 2 ireo. Nisy ihany koa ny fanapahan-kevitra vaovao nataon’ireo mpitantana ambony izay hanitsaka indray ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana ao amin’ny fadin-tseranana. Nanentana ireo izay tsy tonga izy ireo hiara-kanamafy ny tolona ary niala tsiny hatrany amin’ny mpanjifa ny amin’ny akon’ny fanamafisana ny tolona. Tsy tokony fiarovana olona iray izay tompon’andraikitra miziriziry amin’ny heviny no hiteraka vato misakana ho an’ny fampandrosoana, hoy ihany izy ireo. Tsy hihemotra amin’ny fampitahorana sy ny fandrahonana misy izy ireo ary tsy hisy mihitsy ny fandraisan-draharaha. Mila jeren’ny tompon’andraikitra  haingana ity olana ity satria iaraha-mahalala ny akony ratsy aterak’izany amin’ny mpanjifa ary hitarika fahapotehan’ny toekarena hatrany.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT