Toekarena

Fitokonana sy fidinana an-dalambe Tsy mbola misy akony ratsy amin’ireo mpandraharaha hatreto aloha


  • Zoma 04 Mey 2018

Tsy mbola manana olana aloha hatreto ireo mpandraharaha Malagasy na dia ao anatin’ny tolona hirosoana amin’ny fanovana aza isika eto Madagasikara.

 

Ho an-dRtoa Elise, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny randran-dandy Arivonimamo, mpanao lamba landy dia ny tsy fisian’ny akora hampiasaina toy ny landy no tena mampitaraina azy mafy ankehitriny. Toraka izany koa ny halafosan’ny vidin’ny akora, antony mampihisatra ny tsena. Na izany aza anefa dia miezaka hatrany izy ireo  ary tonga mandray anjara amin’ilay  foaran’ny biby fiompy sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA) andiany fahafolo  tanterahina etsy amin’ny CBA  By Pass Alasora. Tranoheva am-polony maro no mandray anjara amin’izany haharitra telo andro. Tanjon’ny hetsika  ny hampiakatra ny lanjan’ny fiompiana sy ny hanomezana  hasina ity sehatra iray izay marihina fa manomboka mahazo vahana sady be mpitia tokoa. Fandraisana andraikitra mavitrika eo amin’ny rehetra no ilaina mba hanatrarana ny tanjona napetraka, hoy ireo tompon’andraikitra satria mbola maro be ireo sakantsakana amin’ny fiompiana toy ny tsy fahampiam-bola, ny fahasalaman’ny biby fiompy…. Ankoatra ny olan’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy dia misy ny fampiasana vokatra simika maro samihafa sy ireo vokatra artifisialy toy ny « organisme génétiquement modifié » na ny (OGM). Nambaran’ny minisitry ny fambolena moa fa efa nandraisan’ny fanjakana fepetra manokana izy ireny ary tsy afaka miditra eto amintsika intsony satria mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny biby sy ny olombelona mihinana azy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT