Toekarena

Fitodiana amin’ny rojom-pihariana maitso Antoky ny fampandrosoana ara-toekarena


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nifarana omaly 21 desambra tetsy amin’ny DLC Anosy ny fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny tetikasa ENEV (Examen National de l’Export Vert) eo anivon’ny rafitra eo anivon’ny firenena mikambana mikasika ny Varotra sy Fampandrosoana (CNUCED).

 

 

 Tanjon’ny fivoriana  ny fankatoavana sy ny famelabelarana io tetikasa io izay miompana betsaka amin’ny fampandrosoana ny rojom-pihariana maintso (chaines de valeur vertes). Amin’izao fotoana izao mantsy dia maro be ny filàna eo amin’ny tsena maneran-tany ka tokony hiteraka tombony be ho an’i Madagasikara izany. Ny vokatra eny ambanivohitra tahaka ny soja, ny fary ary ny kafe dia ananan’ny firenena Malagasy ary mahatratra hatrany amin’ny 2 ka hatramin’ny 14 tapitrisa Hektara izany tamin’ny taona 2008 sy 2015. Tafakatra 90 miliara dolara ihany koa ny sandan’ny tsenan’ny zava-pisotro sy ny sakafo biolojika maneran-tany tamin’ny taona 2016. Amin’izany indrindra no tokony hihazakazahan’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana io rojom-pihariana maintso izay ananany tombony io satria mitondra fampandrosoana ara-toekarena haingana sy asa maro izany ary indrindra  mikajy hatrany ny fiarovana ny tontolo iainana.  Mitaky vokatra manaram-penitra tsy manimba ny tontolo iainana mantsy ny tetikasa ENEV ka anisan’ ny mila jerena haingana ny fanatsarana ny fahadiovan’ny vokatra an-dranomasina, ny fiarovana ny zava-maintso natoraly eny hatramin’ny fanatsarana ny sehatra fambolena avadika ho sakafo (agroalimentaire).

Tsirinasolo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT