Toekarena

Fitaterana anabakabaka sy fizahantany Mandray anjara amin’ny “Aviadev Afrika 2021” i Madagasikara


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 09 jona, ary haharitra telo andro, ny hetsika iraisam-pirenena momba

 

 ny fitaterana anabakabaka “AVIADEV AFRICA 2021”. I Madagasikara, amin’ny alalan’ny Ravinala Airports, no mampiantrano izany, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetry ny andro. Noho ny fisian’ny Covid-19, dia tamin’ny fomba ampitain-davitra ny fivoriana. Maherin'ny 1 000 ireo mpandray anjara avy amina firenena miisa 76 ary maherin’ny 40 ireo kaompaniam-pitaterana nisoratra anarana (Emirates, Qatar, Lufthansa, Airlink…), hoy ny tatitry ny Minisiteran’ny fitaterana eto Madagasikara. Ankoatra ireo famelabelaran-kevitra maro samihafa, fihaonana B2B (rencontres B2B) maherin’ny 350 no hotanterahina ny tontolo andron’ny rahampitso zoma 11 jiona 2021. Mandray anjara mavitrika amin'ireo famelabelaran-kevitra ny ministera, miaraka amin'ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany (ONTM), ary mampahafantatra amin'ireo mpandray anjara any ivelany, ireo vinan'ny fitondram-panjakana ho an'ny fitaterana an’habakabaka sy ny fizahantany, indrindra aorian'ny krizin'ny COVID-19, hoy hatrany ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT