Toekarena

Fitaterana anabakabaka Hiverina anio ireo sidina ara-barotra anatiny


  • Talata 01 Septambra 2020

Hiverina anio 1 septambra 2020 ireo sidina ara-barotra anatiny eto Madagasikara rehefa nitsahatra noho ny valan'aretina Covid-19.

 

 

 

Ho an’ny orinasa Tsaradia dia miisa 28 isan-kerinandro ny sidina ho ataony amin'izao fiverenan'ny lalana ara-barotra izao indray, ary manaraka ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana. Hanao sidina mandroso sy miverina ny fiaramanidina. Ny seranam-piaramadina ao Toliara, Morondava, Sambava, Nosy Be, Toamasina, Sainte Marie, Tolagnaro, Mahajanga, Maroantsetra ary Antsiranana no hisitraka izany. Manao fitiliana PCR avokoa ny mpandeha handray fiaingana sy eny am-pahatongavana eny Ivato. Mandoa 100.000 Ariary ny mpandeha isanisany ho saran’ny fanaovana io fitiliana PCR io, ankoatra ny vidin’ny tapakila.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT