Fitaterana anabakabaka

Hatao anio ny sidina santatra Antananarivo - Moroni


  • Alakamisy 30 Jolay 2026

Taorian'ny fampahafantarana andro

vitsy lasa narahin'ny fanamafisana dia hiverina manomboka anio Alakamisy 30 jolay 2026 ny zotram-pitaterana anabakabaka mampitohy mivantana an'Antananarivo amin'i Moroni atsy amin'ny Nosy Kaomoro, hataon'ny kaompania Madagascar Airlines. Mikendry ny hanao sidina in-droa isan-kerinandro ny kaompania dia ny Alakamisy sy Alahady. Vinavinaina ihany koa ny hisian'ny sidina mampifandray an'i Moroni-Tana-Marseille, hoy ny Tale jeneralin'ny Madagascar Airlines Rado Rabarilala. Ela no nanirian'ny maro ny hiverenan'ity sidina mampifandray mivantana an'i Madagasikara amin'ny Nosy Kaomoro ity rehefa niato aman-taonany maro. Tanteraka izany ankehitriny, ao anatin'izao fitondrana Fanavaozana tarihin'i Kolonely Randrianirina Michaël izao. Voatery mandeha any Nairobi Kenya na Addis-Abeba Etiopia ankoatra ny fitaterana an-dranomasina no nahafahana nifamezivezen'ny olona sy ny entana teo amin'ny Nosy roa tonta. Nilaza i Rado Rabarilala fa hiverina tsy ho ela ihany koa ny sidina mampifandray mivantana an'Antananarivo amin'i Guangzhou any Chine. Efa anatin'ny fifampiresahana amin'ny manampahefana Sinoa izy ireo amin'ny fanatanterahana izany.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT