Toekarena

Fitaterana ana habakabaka Tsy mety tafarina ny Air Madagascar


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Ny 30 novambra 2017 no nisy fifanarahana nataon’ny fitondrana teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny kaompania Réunionais Air Austral momba ny fanarenana ny kaompaniam-pitaterana Malagasy.

 

 

 

Nanomboka tamin’izay dia tapaka fa ny 51 %-n’ny fitantanana dia nosahanin’ny kaompania Air Madagascar ary ny 49 % kosa no an’ny Air Austral. Ny 12 oktobra 2017 no voafidin’ny filankevi-pitantanana ho tale jeneraly vaovaon'ny Air Madagascar i Besoa Razafimaharo. Hatramin’izao dia tsy mbola tafarina ihany ny Air MAD. Mitohy ny fitarainan’ny mpanjifa amin’ny kalitao, ny fahataran’ny sidina lava sy ny fahasimbana matetika an’ireo Airbus roa A 340 manginy fotsiny. Tsiahivina anefa fa nandoavan’i Madagasikara 101 tapitrisa dolara tamin’ny Air France ireo noho ireo olana maro samihafa. Hatreto dia tsy nahavita nanarina ny kaompaniam-pitaterana malagasy ny fiaraha-miasa natao tamin’ny Air Austral izay kaompania fantatra ihany koa fa ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola tanteraka amin’izao fotoana. Tonga hatramin’ny fametraham-pialan’ny Tale jeneralin’ny Air Madagascar, Besoa Razafimaharo tamin’ny faran’ny herinandro teo ny raharaha. Anio  no hankatoavin’ny mpikambana ao amin’ny filakevim-pitantana na tsia io fangatahana io ary handrasana ny tohiny .

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT