Toekarena

Fitaterana ana habakabaka Afaka 3 taona vao mety ho tafarina


  • Talata 14 Aprily 2020

Efa tafiakatra hatrany amin’ny 250 miliara dolara amin’izao fotoana izao no fatiantoka mihatra amin’ny ankamaroan’ireo kaompaniam-pitanterana ana

 

 

habakabaka, raha ny fanadihadiana nataon’ny avy eo anivon’ny IATA na ny fikambanana iraisampirenena misahana ity tontolo iray ity. Mipetraka ny fanontaniana, noho izany, ny amin’ny mety ho fahafaha-miavo-tenan’izy ireny afaka 3 na 6 volana. Nanomboka ny 9 aprily teo izay fanadihadiana izay ary raha ny tondro omen’izy ireo aloha dia tsy manome fanantenana mihitsy na ho an’ny resaka fohy ezaka izany na lavitra ezaka. Maro ireo efa mandindona ny hijanona tanteraka, raha ny voalaza, ary ho an’ny 90%n’ireo fiaramanidin’ny Air France KLM, ohatra, dia tsy miasa intsony. Toy izany koa ny an’ny, Lufthansa Alemana. Nilaza moa ny filoha tale jeneralin’ny Lufthansa, Carstein Sport, fa very 1 tapitrisa Euro isan’ora ny orinasany amin’izao fotoana izao. Raha ny tombana nataon’ireo tekinisianina dia afaka 3 taona fara-fahakeliny vao mety ho tafarina ny fahavoazan’ireo kaompaniam-pitanterana ana habakabaka vokatry ny fipariahan’izao COVID 19 izao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT