Toekarena

Fitaterana an-dranomasina Sambo 2 tsy navela niditra ho fisorohana ny coronavirus


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana dia notanterahina omaly tetsy amin’ny DLC Anosy ny atrikasa fakan-kevitra farany amin’ireo mpiantsehatra

 

 

 

amin’ny fitaterana an-dranomasina rehetra. Atrikasa ho fankatoavana ny tetikasa momba ny Politika Nasionalin’ny Fitaterana an-dRanomasina  (PNTM) eto Madagasikara. Sehatra 5 no tsy maintsy nojerena sy niasana dia ny politikam-pitantanana, ireo mpiantsehatra mpanatanteraka ny asa (resources humaines), ny mahakasika ireo seranan-tsambo, ny fivezivezena an-dranomasina sy ireo sambo mivezivezy ary ny tontolo iainana mifandraika amin’ny fitaterana an-dranomasina. Niadiana hevitra tamin’ity atrikasa ity ihany koa ny mahakasika ny fandriampahalemana eny amin’ny tontolon’ny ranomasina (sécurité maritime) ka niompana kokoa tamin’ny fisorohana mialoha ny resaka. Ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) no anisan’ny tompon’andraikitra mijery ireo pitsopitsony rehetra hahalavorary ny PNTM. Mahakasika ny fotoana hiasan’ny sambo dia jerena hatrany am-boalohany ny fanamboarana, ny fanaraha-maso tokony hatao rehetra ary mifarana hatrany amin’ny fanajanonana rehefa tsy tokony hivezivezy intsony. Tsy maintsy nodinihina ihany koa ny momba ireo fiarovana tokony hatao rehetra mba hirindra sy hieren-doza ny asa fitaterana an-dranomasina (sûreté). Ity farany izay hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny fiarovana, ny minisiteran’ny jono ary ireo fikambanana maro samihafa.  

Fisorohana ny Coronavirus : Sambo 2 no tsy navela hiditra

Nanambara ny Tale jeneralin’ny APMF, Capitaine  de Vaisseau, Randrianantenaina Jean Edmond fa maro ireo fepetra noraisina manokana ho fiarovana amin’ny mety ho fidiran’ny aretina Coronavirus. Anisan’izany ny fanangonana ireo antontam-baovao rehetra mahakasika ireo sambo sy ny seranana. Iza daholo ireo sambo ? Avy aiza ary seranana taiza avy no efa nandalovany ?  Tsy maintsy jerena amin’izany ireo seranan-tsambo 10 farany niantsonany ary fantarina mialoha ihany koa ireo ekipa mpiasa sy ny fiavian’ireo mpandeha. Aorian’izay vao mandray ny fanapahan-kevitra raha afaka miditra eto Madagasikara na tsia ilay sambo. Rehefa tafiditra eto aza ny sambo dia mbola misy ihany koa ny fepetra hafa raisina eo am-piantsonana tahaka ny fitsirihana tsy maintsy ataon’ireo dokotera. Tamin’izany fanangonana ny antotam-baovao rehetra izany dia sambo miisa 2 hatreto no efa nolavina, hoy ny Tale jeneralin’ny APMF. Saika hiantsona tao Nosy Be sy Fort Dauphin ireo sambo ireo kanefa nampiahiahy noho izy ireo efa nandalo tany amin’ny firenena efa nahitana aretina Coronavirus.

Tsirinasolo

Tale Jeneralin’ny APMF, Capitaine  de Vaisseau, Randrianantenaina Jean Edmond

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT