Toekarena

Fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina Ho entitra ny fanaraha-maso


  • Alarobia 11 Septambra 2019

17 ny isan’ny seranana eto Madagasikara ary 7 amin’izay no misehatra eo amin’ny iraisam-pirenena.

 

Ho an’ireo miasa eto an-toerana dia tena tsizarizary ary tsy ampy mihitsy ny fanaraha-maso indrindra ny amin’ny aro-loza amin’ny entana sy ny olona hentin’ny sambo. Noho izany dia hisy drafi- panovana apetraka manomboka izao amin’ny fanarahamaso ny seranana, ny sambo, ny tatsambo ary ny fitaterana an-dranomamy. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dRanomasina sy ny Ranomamy (APMF)  eo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetrandro. Nanambara ny Tale Jeneralin’ny APMF, Le Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina fa dieny izao dia tokony efa mijery akaiky ireo tompon-tsambo sy izay mampiasa sambo rehetra ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna nataony indrindra eo  amin’ny taratasy rehetra mahakasika amin’ny fampiasaina izany ary hanao laharam-pahamehana ny fanarahana ny fenitra ny amin’izany . Hojerena akaiky ihany koa hoy izy ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny aro loza (norme de sécurité). Hihamafy ny fanaraha-maso ataon’ny APMF amin’ ireny antontan-taratasy sy fitaovana izay tokony hananan’ny sambo ireny mba hiarovana amin’ireo loza rehetra mety hitranga hoy hatrany ny Tale Jeneraly. Rariny ihany koa izany satria misy akony ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT