Toekarena

Fitaovana hifandraisan-davitra Hamoraina ny fampidirana azy noho ny fisian’ny krizy


  • Zoma 15 Mey 2020

Nihen-danja ary mety hofoanana mihitsy ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (droit d’accise na DA) amin’ireo fitaovana hifandraisan-davitra tahaka eny anivon’ny orinasa amin’izao fepetra fihibohana izao.

 

Tombony ho an’ny orinasa izany indrindra manoloana izao firoboroboan’ny asa hifandraisan-davitra (télétravail) eto Madagasikara izao. Iaraha-mahalala fa mbola ambany hatrany hatreto ny vidin’ny fisitrahana ireo tambazotran-tserasera hifandraisan-davitra eto amin’ny firenena raha oharina ny amin’ny firenena hafa. Manampy ihany io sehatra io ny fisian’ny krizy amin’izao fotoana izao satria hahafahana mba hanatsarana ny fandraharahana mahakasika izany ary tsapa fa tena ilain’ny sehatra tsy miankina ihany koa izany. Tombony ny handravana ny sakana misy amin’ny fadin-tseranana (barrières douanières) araka ny Lalànan’ny teti-bola nasiam-panitsiana LFR . Ankoatra ny fanohanana ireo orinasa mpisehatra mantsy dia hiroborobo ihany koa ny nomerika amin’ny alalan’ity LFR ity. Fotoana hihazakazahana hanatrarana ny fahatarana ara-teknolojia misy eto amin’ny firenena ihany koa izao. Rariny raha misy ny volavolan-dalàna fanajanonana sy fanafoanana ny hetra aloha amin’ny haban-tseranana ho amin’ny fanafarana ireo fitaovana elektronika mandritra ny 12 ka hatramin’ny 24 volana. Eo ihany koa ny fanafoanana ny DA amin’ny fifandraisan-davitra izay mahavelom-bola ireo fikambanana mpisehatra rehetra (Groupement des Operateurs de Télécommunications).

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT