Toekarena

Fitantanana orinasa Vahaolana mahomby ny “Openflex”


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Hatramin'izay nisiany, Openflex dia manolotra vahaolana ara-pitantanana ho an'ireo mpitantana orinasa maro eto Madagasikara amin’ny alalan’ny rindrambaiko na “logiciel” avo lenta momba izany.

 Manomboka amin'ny orinasa madinika ka hatrany amin'ireo vaventy, ny rindrambaiko Openflex dia mitondra vahaolana mifanaraka amin'ireo fangatahana maro samihafa. Toy izay indrindra ny toe-javatra ao amin'ny Détours Madagascar. Nisafidy manokana an'ny Openflex ny mpitantana. Efa ho 5 taona izay no nananganan'i Sylvain Philip an'io “SARL” izay tantanany io. 7 taona izay no nipetrahany teto Madagasikara. Tany am-piandohana dia niasa tamin'ny orinasa mikasika manokana ny fizahantany ny tenany. Nisy fotoana anefa nanontany tena ny amin'ny hialany eto an-toerana na hijanona eto. 25 taona niandraiketana rafitra manokana momba ny fizahantany tany Lafrantsa sy Afrika i Sylvain Philip. Nanana ny heviny sy ny fikasany manokana anefa izy. Teo no nanomboka ny « Détours Madagascar » izay orinasa mandrindra manokana ireo fitsangantsanganana ho an'ny mpizahatany sady “agence de voyage” ihany koa. Ny mampiavaka manokana ity orinasa ity dia ny fahafahany mikarakara fitsangantsanganana arak'izay ilain'ny mpanjifa na « sur mesure ». Singanin'i Sylvain Philip manokana ny fampiasana ny Openflex. « Tsotra. Mora ampiasaina, mora ny fametrahana azy ary koa fitaovana manoro lalana. Ny fampisehoana voalohany dia efa naharesy lahatra. Openflex ihany koa dia manolotra vahaolana ara-pitantanana izay mifanaraka amin'ny lalàna malagasy ». Ankehitriny, ny ekipa rehetra ao am-piasana dia mampiasa Openflex avokoa. Nanamora ny fitantanana ny mpiasa sy ny karama ary ireo vola mivoaka sy miditra isan-kazany ny Openflex ho an'ny Détours Madagascar manokana. Antony iray mahafa-po ny mpitantana ny orinasa koa ny hafainganam-pamalin'ny mpiasa ao amin'ny Openflex raha mila fanampiana. Sady vetivety dia mahita vahaolana izy ireo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT