Mitohy hatrany ny fanomezana avy any amin'ingahy be Noely ao amin'ny Openflex. Na efa volana febroary aza izao, dia mbola mahita atolotra ihany ity orinasa ity hanomezana fahafaham-po ny maro. Ho an'ireo izay izao vao mahafantatra, ny Openflex dia rindrambaiko na “logiciel”
voatokana amin'ny fitantanana ny orinasa ary novelarina indrindra ho an'ireo mpandraharaha sy vondrona miasa eto Madagasikara. Mety avokoa na ho an'ireny orinasa kely ireny aza (mpivarokena, mpivarotra enta-madinika…), fikambanana sy vondrona tsy miankina amin'ny fanjakana, na koa orinasa goavana maneran-tany mihitsy. Na inona zavatra sy sehatra sahanina, dia azon’ny Openflex hizarana ny traikefany. Tombontsoa voalohany ny fanafohizana ny fotoana very, fihenan’ny taratasy kirakiraina, ary manatsara kokoa ny tontolo iasana. Azo atao mandeha ho azy ny fitantana ary tena tsy misy atahorana mihitsy na dia kely aza. Azo arahina avy lavitra koa, na aiza na aiza misy anao. Ireo finday azo anaovana aterineto dia efa ampy hanaovana an'izany. Ho azon'ireo hampiasa azy, dia maimaimpoana izany fahalalana izany satria tsy misy vola aloa izy ity na ariary aza. Fa ankoatra izay, ireo « modules 2 » izay hita ao anatiny, dia mbola azo ampiasaina tsy misy sarany koa ary amin'ny fotoana tsy voafetra. Tsy maharitra ela anefa ny tolotra, fa eo anelanelan'ny volana febroary sy martsa ihany no manan-kery ho an’izay liana. Mba ahafahana manatona akaiky kokoa ireo izay hampiasa ity rindrambaiko ity, dia misy lamin'asa sy fiaraha-miasa napetraky ny Openflex. Ny 22, 23, 24 febroary sy ny 1, 2, 3 martsa izy ireo dia ho hita ao amin'ny Jumbo Score Ankorondrano ny tolotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.