Toekarena

Fitantanana orinasa Mamokatra kokoa ny vahiny noho ny Malagasy


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Iaraha-mahita fa manjaka hatrany ny vahiny eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny orinasa tsy miankina, indrindra eto Madagasikara. Hita ho mandroso amin’ny ankapobeny ny orinasa tantanan’izy ireo raha oharina amin’ireo hoentin’ny Malagasy.

Maninona no tsy mahavita isika Malagasy ? Raha eo amin’ny lafiny karama aloha dia latsaka ambany dia ambany ny an’ny Malagasy mihoatra ny vahiny raha samy apetraka eo amin’ny fitantanana. 1500 Euros na 5 749 110 Ariary (1Euro=3832.74Ar) hatramin’ny 10.000 dolara nefa ny tompon’andraikitra Malagasy ambony zara raha tonga 2 000 000 Ar. Amin’izay dia teraka ny fakam-panahy amin’ireo mpitantana ny amin’izay mety ho fangalarana ka mampikorosofahana ny orinasa. Ankoatra izay dia eo ihany koa ny tsy fahaiza-manao, ny tsy fahampian’ny traikefa sy ny fiofanana izay sakana hatrany amin’ny fandrosoan’ny orinasa. Misy aza Malagasy tena tsy manana ny fahaizana manokana amin’ilay sehatra misy no mitantana ilay orinasa, hany ka tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana. Fa tsy mampandroso ny orinasa tantanin’ny Malagasy ihany koa ny tsy fisian’ny fitsipika mazava sy hentitra ary na misy aza dia goragora ka samy manao ny saim-pantany ny mpiasa. Eo koa moa ny hakamoana mampihena ny famokarana hatrany amin’ny fotony mihitsy izay taratry ny ataon’ny mpitantana. Fa ambonin’izay, hita fa efa tena mafy amin’ny resaka haitarika (leadership) ny mpitantana vahiny ary mahay mandanjalanja tsara ny lafiny maha olona sy ny asa tsy maintsy tanterahan’ny tsirairay

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT